Antanifotsy Ampitatafika : Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ireo nahavanon-doza
ovovavy iray 19 taona no niharan’ny fanolanana tany amin’ny faritra Vakinakaratra, distrikan’Antanifotsy, kaominina Ampitatafika ny 23 aogositra lasa teo. Indroa voaolana ity tovovavy ka ny voalohany lehilahy iray 41 taona ary ny faharoa farany dia andiana lehilahy miisa dimy no nanapatra ny filàndratsy taminy. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ilay vehivavy ankehitriny vokatry ny herisetra natao taminy ilay vehivavy.
Roa volana taty aorina no tratra tao an-trano ireo nahavanon-doza. Nahitana fonosana rongony ihany koa tao an-tranon’izy ireo rehefa natao ny fisavana. Natolotra ny zandary avy hatrany ieo tompon’antoka nanaovana ny famotorana sy fakana am_bavany. Tsy vao izao no nisian’ny herisetra ataon’ny andian’olona amin’ny vehivavy fa efa mateti-pitranga loatra. Koa izany indrindra no hanairana ireo tompon’andraikitra isan’antokony amin’ny fitadiavana vahaolana hamongorana sy hampitsaharana izany.
« Nivoaka hifanao fotoana amin’ny namany no nialany ny trano tamin’io andro io, gaga anefa izahay fa tsy nody izy raha tsy maraina ny andro. Fitiliana nataon’ny mpitsabo no nahafantarana fa voaolana izy, ary avy hatrany dia nametraka fitoriana teny amin’ny manam-pahefana izahay » hoy i Juliah, fianakavian’ilay tovovavy voaolana. « Nisy fahadisoana avy amin’ny ilay vehivavy, raha ny hevitro manokana. Tsy nahatohitra ny mena miraviravy izy hany ka revo avy hatrany vao naheno hoe hahazo vola. Indrisy fa loza no niandry azy fa tsy ilay vola » hoy i Arivelo, mpianatra. « Miseho amin’ny endrika maro ny fanolanana, rehefa herisetra ara-pananahana dia fanolanana avokoa no fiantso azy. Eny fa na eo amin’ny mpivady azy, rehefa tsy hifanarahan’ny lahy sy ny vavy ny firaisana ara-nofo dia efa azo sokajiana ho fanolanana izany » hoy i Miandra, mpahay lalàna. « Nirotsaka avy hatrany ny baiko fikarohana sy fampisamborana ireo mpanao ratsy vao vantany nametraka ny taratasy fitoriana ny renin’ilay vehivavy voaholana. Efa nisy rao lahy tratra amin’izao fotoana ary mbola mitohy hatrany ny fikarohana ireo namany hafa » hoy ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Antanifotsy.
Ny tsy fahampian’ny fanarahamaso sy fifanakalozan-kevitra misy eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka no anisan’ny antony mahatonga ny tranga toy izao. Ekena hoe misy indraindray ny ditran’ny ankizy, saingy ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny hanitsiana izany. Eo ihany koa ny mbola fiparitahan’ny zava-mahadomelina izay voasokajy ho isan’ireo antony mampirongatra izany tato ho ato. Azo antenaina ve ny hahafoana ny fanolanana raha toa ka hohamafisina ireo didy aman-dalàna mahakasika izany ?
Haingo Andriamihaja
