ActualitésTsidika

Inona ny zavatra ratsy indrindra tokony hialana raha eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ?

Anisan’ny ratsy indrindra ary tokony hialana ny tsy fahasahiana raha te-hisehatra eo amin’ny lafin’ny fandraharahana ianao. Tsy misy zavatra ho vita akory mantsy raha toa ka mbola tsy nanomboka akory ianao. Vokatr’izany, tsy hitombona ary tsy ho tanteraka eo amin’ny fiainan’ny olona iray mihitsy ny fahombiazana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana raha tsy manam-piniavana ny hanomboka mihitsy aloha izy.

Maro ny mihevitra sy miheritreritra fa anisan’ny zavatra tena ratsy indrindra ny nanomboka zavatra iray kanefa tsy nahomby akory. Betsaka ny kihana sy ny vavan’ny mpiaraha-monina azo mantsy manoloana ny tsy fahombiazan’ny tena. Manapempo tanteraka ny fomba fisainana anefa izany raha tsy be herin-tsaina. Fantaro fa ny tena ratsy indrindra anefa dia ny tsy fananana finiavana ny hanomboka zavatra iray. Tsy ho tonga amin’ny tanjony mihitsy ny olona iray raha tsy manana fahasahiana ny hanomboka. Fehiny, ny olona manana fahasahiana ihany no tafita eo amin’ny fiainana, sahy manomboka zavatra iray, sahy misedra ireo zavatra mety hiseho rehetra, sahy miharina raha sendra lavo. Ny fahombiazana sy ny hasambarana, izany no ao ambadik’ireo rehetra ireo.

« Faly aho fa afaka nandray anjara tamin’ny fifaninanana dihy na dia tsy tafiakatra akory aza. Efa hasambarana lehibe ho ahy izany » hoy i Narindra, tanora. « Ravoravo tanteraka ny foko fa tsy niditra ho mpandray anjara tamina fifaninanana an-kira aho. Tsapako fa tena mahay noho izaho daholo mantsy izy ireo amin’izao ka afa-baraka teo fotsiny raha nitetateta » hoy kosa i Tefy, tanora.

Hanitsy izany fomba fisainana izany indrindra no antony nilazan’i Seth Godin (mpanoratra, mpandraharaha ary mpanoratra blaogy) izao teny izao : « ny mbola ratsy kokoa noho ny fanombohana zavatra sy ny tsy fahombiazana, dia ny tsy manomboka na inona na inona mihitsy ».

Tokony hanana fahasahiana ny tsirairay, indrindra ny tanora, satria mbola betsaka ny zavatra tokony atrehina. Kanefa fahasahiana ny hanao zavatra tsara ihany no hevero atao fa hampahomby anao izany. Raha izany ary, tokony tsy atao hahamenatra sy hahakivy ve izany ny tsy fahombiazanao amin’ny zavatra iray izay naato kanefa nataonao tamim-piniavana izany ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire