Amérique du Sud : Sokatra manana endrika hafakely ny Matamata
Iray amin’ireo karazana « Chelus » ny Matamata na Chelus fimbriata. Karazana sokatra ao amin’ny fianakavian’ny « Chelidae » izy ary sokatra an-dranomamy.
Soakatra manana endrika hafakely raha hoarina amin’ny sokajiny hafa ny Matamata ka nanitikitika siantifika maro. Ao Amérique du Sud no tena ahitana io karazana sokatra io indrindra ao amin’ny dobon’ny Amazonie raha ao amin’ny dobon’ny Orénoque sy Río Negro no tena ahitana ilay karazana manakaiky azy indrindra « Chelus orinocensis ».
I Barrère no nanome ny famaritana voalohan’ny Matamata tamin’ny taona 1741. Karazana sokatra an-tanety misy kirany matsilo sy marokoroko izy raha ny voalazan’io « naturaliste » sy mpitsabo frantsay io. Mahatratra hatramin’ny 45 santimetatra kosa ny lehibe amin’io sokatra io izay lehibe raha hoariana amin’ireo karazan-tsokatra an-dranomamy hafa. Manodidina ny 15 kg kosa ny lanjany.
