Mitohy ny asa fanamboarana ny kianja Barea
« Mbola hitohy ny asa » hoy ny filoha talohan’ny fankalazana ny fetim-pirenena, 90% amin’ny asa no vita tamin’izany. Ankehitriny dia mitohy ny asa famaranana sy ny asa fanajariana ny manodidina ny kianja Barea Mahamasina.
Nanome fanazavana mahakasika ny fivoaran’ny asa ny tompon’andraikitry ny fanamboarana ny kianja ka nilaza fa « efa andalam-pamaranana ny pitsopitsony ho an’ireo toerana rehetra ambanin’ny tribune, mandroso ihany koa ny asa fandokoana sy ny fandrakofana ny lalana sy tohatra hifamezivezen’ny olona ambanin’ny gradins ». Ny kianja fanazaran-tena ihany koa dia efa ampametrahana ireo fantsona fitarihan-drano ao ambaniny sy ny fototra izy ireo.
Hisy toeram-pisakafoana sy zaridiana hisokatra ho an’ny rehetra isan’andro ihany koa ao an-toerana. « Mety be aminay miasa ety amin’ny manodidina izany, mba afaka misakafo amin’ny toerana mahafinaritra izahay rehefa atoandro » hoy ny i Rondro, miasa tsy lavitry ny kianja.
« Ny fandraisana ny lalao fifanitsanana ao anatin’ny fiadiana ny ho tompon-daka maneran-tany handraisana ny ekipam-pirenena Barea ny volana septambra izao indray no hisokafan’ny kianja manaraka » hoy ny federasionina. Nanamafy izy ireo fa efa miezaka ny hampanaraka ny fenitra tanteraka ny kianja, manaraka ny fenitry ny FIFA, ka antony nampiasaina bozaka karazany telo ho an’ny kianja hilalaovana (Kentucky Bluegrass, Ray Grass, Tall Fescue).
Hasina Rasamimanana
