France : Lehilahy mpitaiza zaza iray no nanao herisetra ara-nofo tamin’ny zaza latsaky ny 5 taona
Lehilahy iray 37 taona no notsaraina tao amin’ny fitsarana momba ny heloka bevava tao Toulouse andro vitsivitsy lasa izao. Raha ny fanazavana dia injeniera io lehilahy io saingy nanokatra kaonty momba ny fitaizana zaza tao amin’ny tranokala iray natokana ho an’izany ary niambina zaza amin’ny fotoana mampalalaka azy.
Fantatra nefa fa nanao herisetra ara-nofo tamin’ny zaza niambenanay io lehilahy io ary niara nandro tamin’ny zazavavy kely 3 hatramin’ny 5 taona. Teo anelanelan’ny taona 2018 sy 2022 no nanaovana izany fihetsika izany raha ny fanamafisana. Rehefa natao kosa ny fanadihadiana dia nahitana sary « pédopornographique » tany amin’io lehilahy io.
Manoloana ny tranga dia voaheloka higadra 4 taona an-tranomaizana io lehilahy io. Tsy maintsy manaraka fitsaboana ihany koa ny tenany ary tsy mahazo misehatra amin’ny asa mifandray amin’ny zaza tsy ampy taona.
