SSMAF: Fampirantiana, varotra, fanentanana no hita mandritra ny « Foire économique »
Ny 01, 02 ary 03 septambra no hanatanterahana ny Tsenabe SSMAF (foire économique SSMAF). Eny amin’ny kianja ampitan’ny Mikiry, Ambohimangakely no hanatanterahana ny hetsika, araka ny voalaza. Hisy ny fampirantiana, trano heva, varotra, fanentanana sy sehon-tsehatra isan-karazany manditra izany izay azon’ny mpisehatra rehetra handraisana anjara.
“Ao anatin’ny hetsika SSMAF hatrany amin’izao fotoana izao, taorian’ny fifaninana fakan-tsary (concours photo) dia misokatra indray ny “foire economique SSMAF”. Izy io dia tsena be misokatra ho an’ireo mpisehatra ara-ekonomika rehetra. Na ny mpandraharaha na ny mpamatsy vola sy ireo mpamongady na ny olon-tsotra, afaka mandray anjara avokoa” hoy i Hasina, tomponandraikitra ao amin’ny SSMAF.
“Hetsika iray hanomezana sehatra ny lafin’ny ara-ekonomika ity tsenabe ity. Amin’io fotoana io dia maro ireo zavatra hiseho, fanararaotra ho an’ireo te ho matihanina amin’ny fitantanana sy ny varotra, ny fandraharahana sy ny maro hafa. Ahitana zava-baovao ihany koa ary azo trandrahana soa aman-tsara ho fanatsarana ny fidiram-bola na ny zavatra atao” hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina moa fa mbola misokatra ny fisoratana anarana amin’ity “foire economique SSMAF” ity, amin’izao fotoana izao, eny amin’ny BTC Ambohimangakely, ho an’ireo mpisehatra rehetra maniry handray anjara amin’ny hetsika. araka ny voalaza hatrany.
Manitra R.
