Qatar : Mpanao gazety 3 no maty hatramin’ny niandohan’ny fiadana ho tompondaka eran-tany ny baolina kitra
Nanao fanambarana ny « Association internationale de la presse sportive » fa namoy ny ainy ny 21 novambra teo, teo amin’ny faha-65 taonany ny mpanao gazety britanika Roger Pearce. Tsy nanao io fanambarana io ireo tompon’andraikitra raha tsy talata teo.
Fotoana vitsy talohan’ny lalaon’i Etats-Unis sy ny pays de Galles no niseho io trangam-pahafatesana io. Marihana fa mpanao gazety fahatelo maty tao Qatar hatramin’ny niandohan’ny fiadana ho tompondaka eran-tany ny baolina kitra io maty io. Mpanao gazety amerikanina iray antsoina hoe Grant Wahl ihany koa no namoy ny ainy nandritra ny fanalavam-potoana tamin’ny lalaon’i Argentine sy Pays-Bas ary roa andro taorian’izany dia nanao fanambarana ny tompon’andraikitra fa maty ihany koa ny mpanao gazety avy tao Qatar, Khalid Al Misslam.
