Fahalalana: Fa maninona no mila mianatra ny ekonomia?
Maro ny antony tokony hianarana ny “économie” eny amin’ireny toeram-piofanana isan-karazany ireny toy ny Institu IISS. Raha te hahay hitantana aloha voalohany indrindra dia tokony hahay ny foto-kevitra ny “économie”. Rehefa azo ny atao hoe “économie” dia mahay ny atao hoe “gestion” ihany koa ny olona iray. Azo lazaina izany fa ity sehatra ity no fototry ny fitantanana iray.
Ilaina noho izany ny mianatra ny “économie” satria ny olona tsirairay tsy maintsy hitantana foana na ho aiza izy na ho aiza, ny karazan’olona rehetra dia mitantana avokoa fa ny lanjan’ny zavatra entina no samihafa. Miankina amin’ny zavatra hananana anefa izany ary io harena io no mitondra ny fahaiza-mitantana mba tsy hahatonga ny faty antoka.
Raha ho an’ny mpiasa indray dia ny orinasa rehetra mihitsy no tokony hanana mpisehatra mahakasika ny “économie”, tanjona amin’izany mba hahafahana mamaritra ny fandaniana sy ny vola miditra rehetra izay hialana hatrany amin’ny faty antoka.
Antony iray farany mba hahafahana manaraka ny zava-misy sy ny zava-miseho maneran-tany ara-ekonomika. Izany no hatao mba hahafahana mandray fepetra ho an’ny tena sy/na ho an’ny orinasa. Hahafahana mandray fanapahan-kevitra hivoarana ara-ekonomia iray izay mety ho an’ny orinasany sady mampiakatra ny vola miditra ho azy ihany koa.
Matoa mianatra ny taranja “économie” ny olona iray dia manana tanjona izy ny hampihatra izany amin’ny orinasany na ny orinasa hiasany ka ireo teknika sy fomba fanao rehetra dia amin’ny alalan’ny fanovozam-pahalalana no hahaizana izany.
Miora Raharisolo
