Alasora : Manomboka ny fanamboarana ny kianja Synthétique ao Ambohidrazaka
Efa manomboka amin’izao fotoana izao ny fanamboana ny kianja synthétique ao Ambohidrazaka, izay tanterahin’ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. Nanda ary tsy nankasitraka ny fanamboarana izany anefa ireo mponina ao amin’ity fokontany ity, raha ny voalaza.
« Amin’ny mha olontsotra ny tena, ny kianja tany mena eto malalaka no sady azon’ny rehetra ampiasaina ka tsy tokony ho kitikitihana izany ilay kianja fa aleo ho an’ny vahoaka ihany. Raha ho soloina manara-penitra io dia aiza indray ireo tanora, ankizy no hilalao » hoy i Fanomezana, mponina ao Ambohidrazaka.
« Ny ben’ny tanana dia manambara fa maimaim-poana ny filalaovan’ireo klioba rehetra eto Alasora amin’io kianja io. Ny ankoatr’izay dia lainga. Aoka isika ho tony fa mila fivoarana ny fanatanjahan-tena eto amin’ny kaominina Alasora » hoy kosa ny avy ao amin’ny kaominina.
Ao anatin’ny fivoarana sy ny fampandrosoana ny lafin’ny fanatanjahan-tena araka izany, no hanamboarana izao kianja sentetika izao. Ilaina kosa anefa ny fifampiresahana sy ny fifanazavana eo amin’ny mponina sy ny kaominina mba hisorohana ny olana isan-karazany.
Manitra Ramanantsoa
