Ambohimanambola : Hametraka fandaminana vaovao ho an’ny tsena ao amin’ny Fokontany Gara
Hisy ny fandehanana ety ifotony ho ataon’ny tompon’andraikitra eo amin’ny Kaominina Ambohimanambola mikasika ny tsena sy ny lamina manodidina izany. Hisy ny fisavana karatra sy fanamarinana ara-teknika atao mandritra izany fitsidihana izany.
« Mila miomana isika mpivarotra eto amin’ny Fokontany Gara mba ho fandaminana amin’ny tsena satria iaraha-nahita ny korontana sy ny fitarainana voaray » hoy ny ben’ny tanàna ao Ambohimanambola. « Aoka hanaraka hatrany ny fandaminana isika ho entina hampandrosoana hatrany ny kaominina satria miainga amintsika tsirairay ny fandrosoana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina. « Betsaka ny olona mivelona amin’ny tsena eto Ambohimanambola ary hinoana fa tsy adala akory ny tompon’andraikitra raha mametraka lamina ka aoka hanaraka izany am-pilaminana isika » hoy i Feno, mponina any Ambohimanambola. Mandeha tsikelikely amin’ny fampandrosoana isika ka raha samy miezaka ny rehetra dia ho lasa lavitra ihany ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
