Qatar : Tsy voatery manao vaksiny ireo hanotrona ny Mondial 2022
Nanao fanambarana ny governemantan’i Qatar sy ny Komitin’ny faratampon’ny fikarakarana ny fiadiana ho tompondakan’ny baolina kitra 2020 fa voatery tsy maneho fanamarinana fahavitam-baksiny ireo mikasa hanotrona ny Mondial 2022 hotontsaina ny 20 novambra hatramin’ny 18 desambra izao.
Nanamafy ireo tompon’andraikitra fa tsy hisy ihany koa ny fampanatanterahana fihibohana ireo mpanatrika ireo sy ny fanadiahadiana ny fahatontosany ny vaksiny tany amin’ny fireneny. Tokana ihany fepetra napetrak’ireo tompon’andraikitra dia ny fanehoan’ireo 6 taona mahery rehetra migadona valina fitiliana miiba natao tao anatin’ny 48 ora aloha.
