Ambohimangakely : Ny fandaharam-potoan’ny fiofanana maimaim-pona ho amin’ity volana oktobra ity ao amin’ny BTC
Ho maimaim-poana daholo ny fampiofanan rehetra ao amin’ny BTC Ambohimangakely mandritra ity volana oktobra ity. Isan-karazany ny zavatra afaka ianarana ao, ary samy manana ny faharetany avokoa ireo fiofanana ireo fa ny fisoratana anarana dia efa mandeha amin’izao fotoana izao.
Ny andro rehetra mandritra ny herinandro dia hisy fampiofanana foana, eny fa na dia ny alahady aza izay ho atao maimaim-poana hatrany izany. Miovaova ny fandaharam-potoana ka anjaran’ireo te huiofana no mandalo matetika ao anaty pejy facebook na eny an-toerana mijery ny andro hiofanana. Ankoatra ireo taranja izay ampianarina any amin’ny sekoly ambony maro dia ao ihany koa ireo fampiofanana maha matihanina.
Mampianatra efa matihanina no hampiofana mandritra izany ka ireto avy no ho hita ao anatin’izany :
– isaky ny alatsinainy no ahitana ny taranja français, fiscalité, ny « plomberie » ary ny informatique ;
– ny talata kosa dia ny informatique sy taranja anglais ary ny « éducation financière » miaraka amin’ny « soudure électrique » sy ny asa momba ny vy ;
– ho feno tanteraka ny tontolo andro rehefa alarobia satria dia ny « comptabilité », ny « business plan », ny aikido, ny plomberie sy ny fahandroana sakafo ary ny karate no ho hita mandritra izany ;
– ny andro alakamisy dia natao hianarana ny informatique, ny éducation financière sy ny teny anglisy sy frantsay ary ny « soudure elektrique » sy ny asa momba ny vy ;
– ny andro zoma dia ny informatique, ny hai-tarika, ny comptabilité sy ny karate ary ny « soudure électrique » sy ny asa momba ny vy” no hatao
– entina hamaranana ny herinandro dia hisy ny fampianarana manao sary, mandihy, manao lakozia sy manao ny haiady aikido ;
– izany rehetra izany dia faranana amin’ny fianarana mozika rehefa alahady.
Ho an’ny herinandro roa voalohany ireo ambony ireo. Tsy misy fiovana izany ho an’ny herinandro faharoa, saingy niampy ny « développement personnel » mba hanampy ny tsirairay amin’ny fivoarana.
Marihina hatrany fa maimaim-poana avokoa ireo rehetra ireo mandritra ity volana oktobra ity, ho fanampiana ireo mpiara-belona.
Miora Raharisolo
| RépondreRépondre à tousTransférer |
