Allemagne : Tovolahy 17 taona iray no voarohirohy ho namono ny mpampianatra azy
Nisehoana trangana famonoana olona indray tao Allemagne. Tovolahy tsy ampy taona iray no voarohirohy amin’ny famonoana ny mpampianatra azy tao amin’ny kolejy iray tao Ibbenbüren, ao andrefan’ny firenena. Notsatohan’io tovolahy io ny antsy ilay mpampianatra azy, 55 taona, rehefa irery tao amin’ny efitrano fianarana izy raha ny fanazavana.
Ny fiandohan’ny herinandro teo manodidina ny tolakandro no niseho io tranga io raha ny tatitry ny polisy tao Münster. Nanamafy izy ireo fa io zatovo nitsatok’antsy ny mampianatra azy io ihany no niantso ny manam-pahefana taorian’ny tranga. Nanaiky nanaraka mora sy polisy kosa izy nandritra ny fotoana nisamborana azy.
Tsy fantatra mazava kosa ny anton’io heloka bevava io. Mbola ao anaty fanadihadiana ireo tompon’andraikitra.
