ActualitésTatitra

La Réunion : Handray anjara amin’ny « Concours de l’Arbre de l’année 2022 » ao France ilay hazo Iroko ao Saint-Denis

Voasoratra anarana amin’ny fifaninanana « l’Arbre de l’année 2022 » ao France ny hazo Iroko ao amin’ny zaridanan’i Saint-Denis. Mirefy 25 metatra io hazo io ary manana velarana 1,40 metatra. Avy ao Cotonou, ao Bénin io zava-maniry io ary karazana « héliophile » ny « essence »-ny.

Hazo « exotique » maharitra ny hazon’ny Iroko. Hazo be mpanondrana indrindra ao Côte d’ivoire izany. Ampiasaina amin’ny fanafody nentim-paharazana ihany ny Iroko ary ny vorondolo ny biby tena mitoetra eo aminy.

An-jotra no hisafidianana ny hazo hivoaka mpandresy amin’io fifaninana io. Azo fidiana ao amin’ny rohy https://www.arbredelannee.com/candidatures/candidature-alissoutin ny hazo Iroko.

Laisser un commentaire