ActualitésTsidika

Avaradrano : Nosokafana tao amin’ny kaominina Talata Volonondry ny « Herinandrom-pirenena ho an’ny fampinonondreny »

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny kaominina Talata Volonondry, ny talata lasa teo, ny « Herinandrom-pirenena ho an’ny fampinonondreny » ho an’ny eto amin’ny distrikan’Avaradrano. Nandray an-tanana ny fikarakarana izany hetsika izany ny ben’ny tanàna ao an-toerana ary tonga nanontrona izany ireo ambaratongam-pahefana isan-tsokajiny izay nahitana ny solontena isan’isany avy toa ny avy amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny kaominina mandrafitra ny distrika, ny sefo fokontany ary ny mponina, araka ny voalaza.

« Raha ny eto Madagasikara, mbola ny 52% ny reny ihany no mampinono ny zanany. Antony nanaovana izao hetsika izao ny mba ho fanentanana ny reny rehetra hampinono ara-dalàna ny zanany, indrindra ny zaza voateraka ka hatramin’ny faha enim-bolany, indrindra ny fampahafantarana ny mahazava-dehibe ny fanohanan’ny raim-pianakaviana ny reny manoloana izany » hoy ny solon-tenan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.

« Tsy tokony atao ambanin-javatra ny fampinonona zaza. Mitondra voka-tsoa maro eo amin’ny reny sy eo amin’ny zaza ny fampinonona. Anisan’ny mampitombo ny fifandraisana eo amin’ny reny sy ny zaza sy ny fampinonona ary misoroka aretina toa ny homamiadana » hoy i Mbolatiana, mpampivelona.

Anisan’ny zava-dehibe eo amin’ny reny malagasy izany hoe fampinonona izany. Teny filamatra nentina nanamarihana izao hetsika izao moa ny hoe « Fampinonoan-dreny, andraikitro, andraikitrao, andao tohanantsika ».

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire