ActualitésTsidika

Famokarana: Harenina ireo tanimbary maro hahafahana mamokatra vary betsaka.

Mitentina 1 423 milliards dollars ny vola ilaina hanarenana ireo tanimbary maro simba ka tsy mamokatra intsony kanefa mbola mety azo vonjena. Mbola mitentina 1 216 milliards dollars noho izany ny vola mila tadiavin’ny fitondram-panjakana mba hamenoana izany. Mirefy 480 000ha ny refin’ny tany mbola mila harenina sy havaozina. Hahafahana mahaleo tena ara-tsakafo indrindra mahaksika ny vary no antony hanaovana izany asa goavana izany.

“Voakasika amin’ny asa avokoa na ireo tanimbary any amin’ny faritra nahazo izany fanarenana izany na ireo lalan-drano sy ireo tatatra. Ho asiam-panamboarana avokoa izany rehetra izany satria samy miantoka ny famokarana izany avokoa ny foto-drafitr’asa rehetra”, hoy ny tompon’andraikitry ny Plan Emergence Madagascar.

“Ity asa ho atao ity dia hitondra fanavaozana amin’ny famokarana. Harenina ireo rendrika sy simba ary hampitomboana araka ny velaran-tany mbola malalaka eto Madagasikara. Raha ny nambaran’ny Filoham-pirenena dia tanjona goavana no hotratrarina amin’ity tetik’asa iray ity dia mba hahafahan’ny Madagasikara ho sompitra voalohany amin’ny vokatra Vary aty amin’ny ranomasim-be Indianina ka izay no antony hanamboarana ity foto-drafitr’asa ity”, hoy hatrany ny fanazavana.

“Izahay taloha raha mampiakatra vary 2taonina izahay anatin’ny taona iray dia ampy anay mandritra ny taona izany ary mbola afaka mivarotra izahay avy eo. Ankehitriny anefa nihena ilay izy noho ny faharendrehan’ny tany sy ny fahasimban’ny tatatra”, hoy i Julien, mpamboly vary ao Ambatondrazaka.

Raha vita ity asa fanarenana ity dia maro ny olona ahazo tombony amin’izany ankoatra ireo mpamboly sy ireo mpandraharaha. Mila ampiana hatrany anefa ny fampianarana ny olona rehetra hanaja ny foto-drafitr’asa sy ny fananana iombonana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire