Miantoka indrindra amin’ny fiadiana ny aretina ny toeram-pividianam-panafody
Hilaharana mihitsy ny fividianana fanafody eto Antananarivo, izany no midika fa betsaka ny marary, betsaka ny te hiaro tena indrindra manoloana ny valan’aretina COVID-19. Misy ihany koa anefa ny fanararaotana mandritra izany, izay ilàna fanaraha-maso avy amin’ny tompon’andraikitra satria aim-bahoaka no sorona eto. Manjary vidian-dafo mantsy ny fahasalamana ka ireo izay tsy mahatakatra ny vidim-panafody miakatra izany mba ahoana ? Noho izany manana anjara toerana amin’ny fiantohana ny ain’olona ny farmasia manerana ny nosy. Ary amin’izany indrindra, nandray fepetra hanampiana ny Vahoaka Malagasy ny Holafitry ny farmasianina eto Madagasikara amin’izao ady iraisana handresena ny COVID-19 izao. Nampitomboina ireo farmasia hanamorana ny fahazoan’ireo marary ireo fanafody izay ilainy. Ezahana ihany koa ny vidim-panafody mba tsy hisy fiakarana be. Tsy ekena ihany koa ny fahitana fa misy farmasia manararotra be ary tsy maintsy handraisana fepetra ny toy izany hoy Dr Rakotomalala Tantely izay Filoha Nasionalin’ny Farmasianina eto Madagasikara. Andron’ny fanavotana ny fahasalamana izao ka aoka tsy hisy ny fanararaotana ny amin’izany, mila mifampitsinjo ny rehetra mba hanarenana indray ity firenena ity sy ho tafavoaka soa aman-tsara amin’ity tsimok’aretina mandoza ity i Madagasikara.
Nicole Rafalimananjara
