Indonésie : Tonga tany amin’ireo nosy ravan’ny rivo-doza ireo mpitondra fanampiana
Sambo lehibe roa no tonga niaraka tamin’ireo fanampiana ny olona traboina, ny alakamisy 08 aprily taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Seroja andro vitsy izay. Tao amin’ny nosy Lembata sy Adonara no nijanona ireto sambo roa nitondra fanampiana ireto. Misy ihany koa ny sambo mitatitra fanafody sy kojakoja ilaina entina hitsaboana sy hiarovana ireo olona tsy manan-kialofana ao an-toerana taorian’ny nandalovan’ilay rivo-doza ny 4 aprily lasa teo. Mbola karohina ireo olona ampolony nolazaina fa tsy hita tamin’io fotoana io. Ankoatr’ireo sambo ireo, fiara-manidina iray mitondra aro vava orona manodidina ny 100 000 sy fitaovam-pitiliana ny valanaretina coronavirus ary sakafo sy lamba firakotra ho an’ireo tra-boina rehetra no efa andalana hamonjy ireo toerana tena ravan’i Seroja raha niainga tao Jakarta. Raha tsiahivina, manodidina ny 140 ireo olona voalaza fa maty tamin’ny fandalovan’ny rivo-doza Seroja io tao Indonésie, ary 37 kosa teo Timor oriental.
