SocialTatitra

Cuba : Fepetra vaovao manoloana ny fiverenan’ny valanaretina coronavirus ao an-toerana

Nohamafisina indray ireo fepetra manoloana ny fiarovana amin’ny fihanaky ny valanaretina coronavirus ao Cuba. Ho hentitra indray ireo mpitondra fanjakana taorian’ny fiakaran’ny tahan’ireo olona voamarina ho mitondra ny tsimonkaretina coronavirus. Hampitomboina ireo manam-pahefana misafo tany na andro na alina ary hiaran’ny sazy enjana ireo izay tratra tsy manaraka ny fepetra sakana sy ny fanaovana aro vava orona. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fivezivezena amin’ny alina sy ny fivorioriana etsy sy eroa. Manana mponina miisa 11,2 tapitrisa i Cuba ary efa azo lazaina ho voafehy ny valanretina teo aloha raha tsy nahitana afa tsy olona ampolony isanandro voamarina fa mitondra ny valanaretina. Niverina niakatra indray anefa ny taha tato ato hoy ny tompon’andraikitra ka tafakatra 1000 hatramin’ny 5000 izany ny herinandro lasa teo. Voalaza fa ny fivohan’ny sisin-tany nampidirana ireo mpiala sasatra no antony voalohany nampiakatra io taha io. Napetraka indray araka izany ny tsy fahafahana mivezivezy ao Cuba amin’izao fotoana.

Laisser un commentaire