SocialTatitra

Chine : Firenena matanjaka indrindra sady atahorana eo amin’ny lafiny ara-tsiantifika

Manana oniversite miisa 2 600 ahitana mpianatra 32 tapitrisa i Chine amin’izao fotoana. Miha-mivoitra sy mampiseho ny fahaizany avokoa ireo mpianatra tsirairay amin’ireo oniversite ireo ka tsy mitsanga-menatra manoloana ny fianarana ambony hafa manerana izao tontolo izao i Chine. Nikatona nandritra ny 10 taona, tao anatin’ny 40 taona lasa izay ny ankamaroan’ireo sekoly ambony ireo nohon’ny “revolution culturelle” nisy tao an-toerana. Ankehitriny kosa anefa, maro amin’ireo oniversite sinoa no tafiditra anisan’ny sangany indrindra eran-tany eo amin’ny lafiny ara-tsiantifika. Efa mahavita misongona an’i Etazonia ihany koa i Chine amin’izao fotoana izao raha ny tetik’asa fandefasana fitaovana na ampahany amin’ny fivoarana ara-teknolojika eny amin’ny volana na ihany koa eny amin’ny planeta Mars. Azo lazaina ho efa andalam-pahazoana ny anaram-boninahitra eo amin’ny sehatry ny siansa i Chine amin’izao fotoana hoy ireo manam-pahaizana sy mpandinika sasantsasany.

Laisser un commentaire