Ankadikely Ilafy: Nanolotra fanampiana ho an’ireo tokatrano niharam-boina
Tonga nanalotra fanampiana, vonjy ranovaky ho an’ireo tokatrano efatra may teny amin’ny fokontany Manjaka, ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny Talata teo. Kojakoja isan-karazany ary fanampintsakafo no nomena azy ireo, raha ny voalaza.
“Vary 25 kilao miampy paty miisa 5 fonosana sy bodofotsy 1, koveta 1, « Seau » 1 ary savony 5 isan-tokantrano no natolotra ireo niharam-boina teto amin’ny fokontany Manjaka. Hisaorana ireo rehetra nifanome tanana sy nanao ezaka ho fiombonana amin’ny mpiara-belona tao anatin’izany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Zava-dehibe ho an’ny mpiara-monina ny fifanomezan-tanana tahaka izao. Ho an’ny eto an-toerana dia tena mbola mitoetra tokoa ny firaisan-kina sy ny voikavamahatratra rehefa misy ny loza tahaka ireny” hoy i Noro, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Raha tsiahivina, ny herinandro lasa teo dia vokatry ny fifampikasohan’ny herinaratra (court-circuit) no nahatonga ny firehetana tamin’ireo trano. Tsy nisy ny aina nafoy ary tsy nisy ihany koa ny naratra nandritra izany saingy ny entana no may avokoa.
Manitra R.
