ActualitésTsidika

Fandoavan-ketra : Tsy handroso mihitsy ny firenena raha tsy mazoto mandoa hetra ny vahoaka

Mbola betsaka ny mponina eto Madagasikara tsy mahalala akory ny tena maha-zava-dehibe ny hetra sy ny fandoavana izany. Tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny firenena anefa ny fandoavana ny hetra izay tsy inona fa ampahany kely ihany amin’ny vola miditra amin’ny tsirairay na ny orinasa iray ka tsy mamono antoka mihitsy ny fanefana izany. »Ny hetra toy ny volon’orona, ka kely alàna marary ary be alàna marary » hoy ny oha-pitenena Malagasy, hany ka nanjary toy ny fanasaziana no nandraisan’ny maro azy. « Fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny toerana sy ny faritra misy antsika ary indrindra ny fiarahamonina ny hetra ka tsy tokony hiraviravin-tanana isika fa hazoto hatrany hanefa ny fandraisana anjara antsika ho any firenentsika » hoy i Rakotonindriana Emilien manan-traikefa amin’ny resaka hetra. « Mizara maro ny hetra fa ny tena malaza dia ny hetran’ny vola miditra izay aloan’ireo mpandraharaha sy ny orinasa mampiditra vola » hoy hatrany izy. « Mampibaby trosa ny taranaka any aoriana ny tsy fahadoavan-ketra satria rehefa tsy mandoa hetra isika dia voatery mihindram-bola any ivelany ny fanjakana, misakana ny fidiran’ny fampandrosoana ny tsy fanefana izany » hoy i Barijaona, mpianatra mikasika ny toe-karena.Marihina fa eny amin’ny ivon-ketra no handoavana ny hetra izay efa miezaka manatona ny ny Distrika sy ny Kaominina mihitsy aza amin’izao fotoana izao. Raha tsy misy ny fandrosoana, tsy ny mpitondra irery no tsy nahay fa eo ihany isika vahoaka tsy mba nitondra ny anjara birikintsika tamin’ny alalan’ny hetra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire