ActualitésTsidika

Fenitra : Tsy afa-miala amin’ny fampandrosoana lovainjafy ny fanarahana ny fenitra

Ilain’ny tanora tokoa ny mahalala ny fenitra, indrindra ao anatin’ny sehatry ny fandraharahana, mba hahatonga izany ho tena hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena tokoa. Ny fenitra mantsy dia taratasy iray napetraka nifanarahan’ny olona maro ho amin’izay tokony hitondrana ny sehatra iray. »Ny fametrahana ny fenitra no ahafahana manatratra ireo tanjona ao anatin’ny fampandrosoana lovainjafy manoloana ny sehatra miisa 17 toy ny tontolo iainana, ny fanabeazana, ny soatoavina, ny fitantanana indrindra eo amin’ny lafin’ny kalitao » hoy i Rakotomanjaka Ny Andry, mpandinika manokana mikasika ny fenitra. « Ny fenitra napetraka no ahafahana manoro ny tokony ho atao, efa betsaka ireo hita ho manatratra sy mahafantatra ny fenitra eto Madagasikara saingy mbola tena mila ezaka amin’ny fampiharana azy isika » hoy i Clara, mpianatra serasera eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. « Tena nahafahako nahafantatra ireo fenitra amin’ny sehatry ny rafi-pitantanana fitantanana indrindra eo eo amin’ny lafiny kalitao sy ny tontolo iainana izay tokony ho arahin’ny orinasa ity hetsika ho an’ny mpandraharaha taty Ambohimangakely » hoy i Nirina, isan’ireo nanatrika ny hetsika Global Entrepreneurship Week tany Ambohimangakely, ary maniry ny handraharaha.Tsy afa-miala amin’ny fampandrosoana noho izany ny fenitra ka tokony ho fantatrin’ny rehetra aloha izany ka miezaka manao izay avokoa isika avy eo. Marina fa mbola lavitra ny ezaka raha mitaha ireo firenena hafa kanefa raha samy miezaka tsikelikely miditra ao anatin’ny fenitra isika dia tsy ho sarotra izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire