Ankizy miisa 501 no nisitraka kopia nahaterahana tany amin’ny faritra Itasy.
16 Novambra, 14h00. Tontosa omaly, 15 novambra ny fizarana kopia nahaterahana faobe ho an’ireo ankizy tao amin’ny Kaominina Ambohimandry, Disitrikan’ Arivonimamo, Faritra Itasy. Vokatrin’ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ireo olom-boafidy isan-tsokajiny tao amin’ny faritra Itasy no nahatontosana izany ezaka izany.
