ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova : Mila hatsaraina ny fitantana ny rano eo an-tanàna

Tsy ampy ny rano ao amin’ny kaominina Ambohimanga Rova, hany ka maro ireo tsy afaka misitraka ny rano eny amin’ny paompy. Mitaraina ny mponina eny an-toerana amin’izao fotoana izao ka mangataka ny tompon’andraikitra handray ny fepetra, indrindra indrindra manoloana ny fisitrahan’ny mponina ny rano amin’ny paompy.

« Tena mangataka ny avy ao amin’ny kaominina handray ny andraikitra amin’ny fitantanana ny rano ety Ambohitrandriamanjaka fa tsy milamina mihitsy. Izahay efa milahatra ela eto, kanefa tsy mahazo rano foana » hoy i Alain, mponina any an-toerana. « Izay mahazo ihany no mahazo. Samy mila rano avokoa anefa ny rehetra, na mahazo aza dia efa sisan’olona sisa satria zara raha tonga ny rano » hoy i Claudia, renim-pianakaviana monina ao Ambohimanga Rova. « Ny rano no tena ilaina voalohany, ka isan’ny misakana ny fampandrosoana raha io no tsy ampy ao anatin’ny faritra iray na ny firenena iray » hoy i Nandrasana, mpandinika manokana mikasika ny rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana.

Tsy afaka ny hiaina tokoa isika raha tsy misy ny rano, satria ny 60% amin’ny vatan’olombelona dia rano avokoa, izany hoe ny rano dia aina. Sakana lehibe tokoa raha ny rano no tsy ampy amin’ny firenena iray. Nosy voahodidina ranomasina anefa i Madagasikara, kanefa nahoana ny rano no isan’ny olana fototra eto aminy ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire