Cosafa : Tsy afaka ny hilalao ho fiarovana ny voninahi-pirenena
Tsy afaka ny hihatrika ny fifaninana « beach soccer » (baolina kitra ambony fasika) ny ekipan’ny Cosafa, izay hisolo tena ny firenena Malagasy, noho ny olana misy eo amin’ny fitaterana an’habakabaka. Fifaninana izay ho tanterahina any Durban, Afrika astimo.
Marihina fa anio 17 novambra no andro voalohany amin’izany lalao izany, ary manana anjara amin’izany ny Malagasy, izay hifandonany amin’ny ekipan’i Angola. Tsihahivina fa efa nisedra olana ny ekipa Malagasy teo amin’ny taranja « beach soccer » ny volana may lasa teo : tsy afaka niatrika ny fifaninana CAN (Coupe d’Afrique des Nations, fiadana ho tompondakan’i Afrique). Miverina indray izany ankehitriny, saingy tsy hita hatramin’izao izay fandraisana andraikitry ny Federasion’ny baolina kitra Malagasy manoloana izany. Mahatsiaro ho tsy misy mpiahy ireo tanora mivondrona anatin’izany ekipa izany, izay miezaka hatrany ny hiaro sy hanadratra avo ny voninahi-pirenena.
« Ho an’ny vahoaka Malagasy no hijoroanay, saingy tsy misy na iray aza afaka ny hanome fanampiana anay » hoy ny solotenan’ireo mpilalao. « Tsy laharam-pahamehana, indrindra amin’izao fiparitahan’ny aretina covid-19 maneran-tany izao, ny fandefasana ireo tanora hiatrika izany lalao izao. Loza mitatao ho an’ny firenena raha toa ka aretina no azo avy any fa tsy fandresena » hoy i Njato, tanora mpitia fanatanjaha-tena. « Efa ela no tsapa fa misy ny fanilikilihana misy eto amin’ny firenena, eny fa dia eo amin’ny samy ekipam-pirenena aza. Misy ireo mahazo tohana tsara avy amin’ny fanjakana, misy ihany koa etsy andaniny ireo tsy hitan’ny fanjakana raha tsy efa mahazo fandresena » hoy i Andry, mpanazatra baolina kitra.
Sehatra iray hampihenana ny fandraisan’ny tanora zava-mahadomelina ny fanomezan-daka ny fanatahan-tena. Maro ireo voka-tsoa azo avy amin’izany raha tsy hilaza hafa tsy ny fikoloina ny fahasalamana isika. Anisan’ireo manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tanora, izay mitana ny antotan’isa ambony indrindra eto amin’ny firenena Malagasy. Tsy laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana ny firenena tokoa ve ny fanomezan-tanana ireo tanora misehatra amin’ny fanatanjaha-tena ?
Haingotiana Andriamihaja
