SocialTsidika

Nosy Be : Tsy azo varotana intsony ny akanjo « vert-armée »

Nanao fidinana teny an-tsena ireo zandary tao Nosy Be, nanentana ny olona ny hanala sy tsy hivarotra intsony ny lamba mitovy endrika amin’ny miaramila na ny « vert-armee ».

Voarara ny lalana ny fanaovana ireny fitafiana ireny. Mety mahavoasazy ary mety hiafara amin’ny figadrana mihitsy aza. Tsy tokony hivarotra an’izy ireny intsony arak’izany ny mpivarotra. Efa nisy ihany ny fanentanana nataon’ireo mpitandro filaminana tao Nosy Be ireo teo aloha fa maro ireo tsy nanaraka izany ka izao manao fidinana ifotony izao indray izy ireo ka namerina ny fanentanana ary koa nampitandrina mihitsy mba tsy ahatongavana amin’ny fangalana ireo lamba ireo. « Atao izao mba hialana amin’ny mpisoloky izay misandoka ho mpitandro ny filaminana ary tsy eto Nosy Be ihany no anaovana io hetsika io fa manerana an’i Madagasikara » hoy ireo mpitandro filaminana any an-toerana.

« Betsaka ny mpanjifa no manontany akanjo “vert armee” eto aminay, izahay amin’ny maha mpivarotra anay dia manatanteraka ny filan’ny mpanjifa no ataonay. Na izany aza nefa tsy tena mitovy amin’ny fanamian’ireo miaramila avokoa ny entana amidinay. Ny hevitra arosonay dia hoe aleo asiana famantarana ny akanjon’ny miaramila mba iavahany amin’ny olon-tsotra fa avelao izahay hivarotra » hoy i Clara, mpivarotra friperie iray. « Tokony saziana mihitsy ireo mpivarotra mbola mivarotra ireny satria raha arakin’ny fanadihadiana natao dia rehefa misy ny fandrobana na fisolokiana dia milaza ireo olona niharan’izany fa nisalotra fanamiana miaramila ireo nahavanon-doza. Fanosoram-potaka sy fanomezana endrika ratsy ireo miaramila arak’izany ny fanaparitahana ireny eny an-tsena » hoy Njara, mpianatra mpanao gazety.

« Mahavoasazy 1 volana ka hatramin’ny 5 taona antranomaizina, miampy lamandy 300. 000 ka hatramin’ny 9. 000. 000ariary ny fivarotana na fisalorana ireny akanjo mitovy endrika amin’ny fitafiana miaramila ireny araka ny andininy faha 259 ny fehezan-dalana famaizana » hoy ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena.

Na izany aza, mbola betsaka ireo mpivarotra mamelatra an’izy itony eny an-tsena ary amin’ny sarany ambony mihitsy satria lamaody itony akanjo mitovy endrika amin’ny fitafy miaramila itony. Tsy hita ho sakanana nefa ireo mpividy hanjifa izany satria mbola feno eny an-tsena. Raha tsy maintsy hiroso amin’ny fanafoanana tanteraka ireny mpivarotra ireny dia mila manova paikady hanapariahana izany fanentanana izany ny mpitandro filaminana ary koa tokony ho hentitra amin’ny fanaraha-maso satria efa ela no nisy izany fanentanana izany kanefa efa taona iraika amby roapolo sy roa arivo isika izao mbola manentana foana fa tsy misy ny fanarahan-dalana.

Sao kosa tokony ny mpanafatra entana sy ny mpandefa entana avy any ivelany mihitsy no tokony arahi-maso voalohany ?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire