Hotolorana latabatra sy seza ireo sekolim-panjakana any amin’ny faritra Sofia
01 Septambra, 09:00. Nanapa-kevitra ny Governoran’ny faritra Sofia ho fanampiana ny fampianarana any an-toerana ka nanamboatra latabatra sy seza miisa 800 ho an’ireo sekolim-panajakana manerana ny distrika 7 any amin’ny faritra. Ny manetsabe mbola ho avy hoy i Governora Lylyson ary nambarany koa fa volan’ny faritra madiodio no nanaovana izany ary mpandrafitra avy any Antsohihy ihnay koa no nanamboatra azy taorian’ny antso sy ny tolo-bidy natao.
