Mpikambana ao amin’ny CENI : Tapitra ny 29 oktobra 2021 ny fe-potoam-piasana
Mifarana ny 29 Oktobra 2021 izao ny fe-potoam-piasan’ny mpikambana ao amin’ny CENI am-perinasa amin’izao fotoana. Araka ny fampiharana ny andinin-dalàna 15,16 sy 17 ny lalàna 2015-020 tamin’ny 19 oktobra 2015 mifanaraka amin’ny drafitra nasionaly mahaleotena misahana ny fitantanana ny fifidianana na ny Commission Électorale Nationale Indépendante (CENI).
Nandefa taratasy fanasana an’ireto departemanta samihafa ireto : ny Filohan’ny repoblika Malagasy, ny Praiministra lehiben’ny governemanta, mpikambana ao amin’ny fiaraha monim-pirenena, ny Filohan’ny anterinmeran-doholona, ny Filohan’ny anterimeram-pirenena, ny Filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana ny CENI ny Alatsinainy 30 Aogositra 2021 mba hahafahana miroso amin’ny fifidianana ireo mpikambana vaovao handrafitra ny CENI amin’ny fe-potoam-piasana manaraka. Raha ny daty hifaranan’ny fe-potoam-piasanan’izy ireo dia roa volana sisa izany.
Raha tsiahivina dia ny volana oktobra 2015 izy ireto mpikamban’ny CENI ireto no nanomboka niasa. Mandrafitra izany ny solontenan’ny Filoham-panjakana, Parlemanta, ny Fitsarana Tampony, ny Fikambanan’ny mpisolovava, ny mpanao gazety ary ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena roa.
Sitraka Rajaonarivony
