DépêchesTsidika

Ambohitrimanjaka: Fiara nitondra razana niharan-doza

Nitrangana loza mahatsiravina io maraina io teny Ambohitrimanjaka ; tokony ho tamin’ny 05 ora sa sasany teo. Fiara Sprinter iray nitondra razana nifandona tamin’ny Mazda iray. Teo aloha kelin’ny Art Malagasy makany Ambohitrimanjaka no nitrangan’ny loza. Efa nentina eny amin’ny toeram-pitsaboina ireo naratra; tsy nisy ny aina nafoy. Samy nahitana fahasimbana ireo fiara vokatry ny fifandonana.

Laisser un commentaire