Fifamoivoizana: nahitana tranga na lozam-pifamoivoizana indray iny RN4 iny.
Dépêche 12 octobre, 13h, Matetika ahenoana tranga na lozam-piarakodia mihitsy iny lalam-pirenena faha 4 iny. Ahitana olona maratra foana mihitsy izany ary indraindray moa dia misy mihitsy ny maty. Nisehoana fifandonana teo amin’ny fiara kodiaran-droa sy fiarakodia 404 iray teny Mahitsy. Tsy nisy ny aina nafoy fa tapaka kosa ny tongotr’ilay vehivavy tamin’ilay fiara kodiaran-droa ka nentina any amin’ny hopitaly avy hatrany izy taorian’izany.
