Groenland : Niaina septambra nahamay indrindra teo amin’ny tantarany ny nosy
Nihoatra ny volana septambra teo ny « record» ny maripana ambony indrindra teto ambonin’ny tany. Volana septambra nafana indrindra fahaefatra teo amin’ny tantatra ny tamin’ity taona ity raha ny fanazavan’ireo mnanam-pahaizana.
Voakasika mivantana tamin’io fiakarana io ny nosy Groenland. Tafikatra 8°C ny maripana antonin’ny firenena raha tokony manodidina ny 3°C eo izany hoy i Freja Vamborg, manam-pahaizana mbomba ny fiovan’ny toetry ny andro ao amin’ny Copernicus. Mametraka ity volana septambra 2022 ity ho namay indrindra tao amin’ny Nosy hatramin’ny taona 1979 izany hoy io tompon’andraikitra io.
