ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Voasambotra ireo mpanimba ny fananana iombonana

Mbola mitohy hatrany ny tsy fanajana ny fenitra izay mahatonga olana amin’ ny fahasimbana ao amin’ny lalana rari-vato Tsarasaotra mivoaka Antsofinondry, ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Voasambotry ny zandary, ny alahady teo, ireo mpitondra fiara minia mandika izany fetra izany, raha ny voalaza.

 » Mpamily fiara fitateram-bahoaka sy ny mpanampy azy no voasambotry ny avy eto amin’ny brigadin’ny zandarimariam-pirenena eto Sabotsy Namehana rehefa  naharay porofo tamin’ny sary nalefan’olo-tsotra ny fanimbana nataon’izy ireo teny an-toerana. Nogiazana ny fiara nentin’izy ireo vokatr’izany » hoy ny avy amin’ireo mpitandro filaminana.

 » Ilaina ny fampiarana ny sazy entitra ho an’ireo mpanimba fananam-bahoaka toa izao. Misy izy ireny no manao fanahiniana, mievitra fa tsy misy mahita ka manao izay tiany ny fananana iombonana » hoy i Annie, mponina ao Sabotsy Namehana.

Fananana iombonana ny lalana ka tokony ho samy sarotiny ny tsirairay amin’ny fikojana sy fanajana ny fetra natokana amin’izany. Ny fahasahiana mitoroka sy milaza ny tsy rariny ihany koa izay zava-dehibe ary tokony ataon’ny tsirairay mba hamaizana ireo tsy mpanara-dalàna.

Manitra R.

Laisser un commentaire