Ambohimanambola: Misy ny tolotr’asa ho an’ny tanora ao anatin’ny kaominina
Misy ny tolotr’asa izay natao ho an’ireo tanora manana fahaizana na traikefa momba ny fikirakirana ny solosaina sy ireo toro samihafa mahakasika ny hetra ao anatin’ny kaominina Ambohimanambola. Tafiditra ao anatin’ny tetik’asa fanavaozana sy fantsarana mahakasika ireo toro momba ny hetra no anisan’ny nanaovana ny tolotr’asa, araka ny voalaza, ary haharitra 10 ka hatramin’ny 20 andro ny faharetan’ny asa ao anatin’izany.
“Olona mahay asa avy ato anatin’ny kaominina no tena tadiavina amin’ny asa, ary manana traikefa amin’ny fikirakirana ireny solosaina ireny mazava ho azy satria hikirakira ireo karazana toro isan-karazany izay mahakasaika ny hetra sy ny tontolony no anton’asa. Indrindra moa fa mahatana ny tsiambaratelo sy ny mombamomba ny asa” hoy ny tomponandraikitra.
“Ilain’ny tanora indrindra fa ireo izay vao mizatra asa ny tolotr’asa tahaka izao mba hahafahana maka traik’efa sy hizaran’asa sahady. Maro ireo tanora no milaza tsy ampy na tsy manana traik’efa rehefa hitady as aka fotoana izany izao tokony hanararaotana” hoy I Louis, mpampianatra misotro ronono.
Anisan’ny sakana ho an’ny tanora hiroso amin’ny fitadiavan’asa tokoa ny tsy fahampiana traik’efa. Olana ihany koa ny fisafidifidianana asa na fijerena ny karama kanefa tsy tokony hijery izany raha vao hiroso amin’ny sehtr’asa fa tokony manomboka amin’ny ezaka tsikelikely.
Manitra Ramanantsoa
