Avaradrano : Natolotra ireo kaominina telo ny kamiao lehibe miaraka amin’ny daba-pako
Ny kaominina Ambohimangakely, Alasora ary Sabotsy Namehana no notolorana ny fiara lehibe fitaomana fako niaraka amin’ny daba-pako lehibe miisa dimy hiasa ho an’ny kaominina ny zoma 02 septambra lasa teo izay notontosaina tetsy amin’ny biraon’ny distrika tetsy Alasora. Ny solombavam-bahoaka voafidy tao amin’ny distrika no tonga nanolotra izany tamin’ireo kaominina voalaza etsy ambony, izay niarahana tamin’ireo sefo distrika sy ben’ny tanàna ihany koa.
« Mitondra fampandrosoana ny tanàna ny fanomezana tahaka izao izay efa ela tokoa ny niandrasana azy izay isaorana ny fitondram-panjakana manokana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana nisitraka ny fanomezana. « Ezaka ho an’ny fanadiovana ny kaominina izao, izay anisan’ny fototra amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Mino izahay vahoaka fa ho voavaha ny olan’ny fako manomboka izao » hoy i Menja mponina ao Alasora.
Anisan’ny miandry ny fijerena ny zava-misy sy fanomezana tahaka izao ihany koa ireo kaominina hafa ato anatin’ny distrikan’avaradrano. Hita fa sahirana ireo tompondraikitra misahana ny fanadiovna sy fidiovana manoloana ny fipariahana sy ny fitobian’ny fako izay hita tokoa fa manimba sy manaratsy endrika ny tanàna.
Manitra Ramanantsoa
