Bekily : Tsy latsa-danja amin’ny fanampiana nandritra ny fitsidiham-paritra
Ao anatin’ny fitsidiham-paritra ankehitriny ny fitondram-panjakana izay mijery ifotony ny olana sedrain’ny mponina raha natomboka tao Antsirabe izany ka nanohy ny lalana nianatsimo avy eo. Fa akoatran’izay ihany koa, nijery ny tetik’asa vita na andalam-pahavitana ihany koa izy tamin’izany toy ny tany Bekily. Velaran-tany mirefy 180Ha no tondrahan’ny toho-drano sy ireo lakandrano amboarin’ny fitondram-panjakana ao Beraketa, distrikan’i Bekily ho fanohanana ny fiveloman’ny mponina. Tokantrano miisa 300 kosa no misitraka mivantana izany fotodrafitrasa izany. Nijery ifotony ny asa fanamboarana ny Filoha Andry Rajoelina ary nihaona mivantana tamin’ireo mponina ao an-toerana. Namaly ny hetahetan’ny mponin’i Beraketa ihany ko aizy mikasika ny fampiitaovana ny ara-pambolena ho fanampiana azy ireo amin’ny famokarana. Hapetraka ao an-toerana ihany koa hoy hatrany ny Filoha Andry Rajoelina ny milina hanodina ireo vokatra toy mangahazo ho lasa lafarinina izay ho tantanin’ny kaoperativan’ny tantsaha ao an-toerana. Fa tsy izany ihany fa mbola hisitraka fotodrafitrasa manarapenitra samihafa ny kaominin’i Beraketa ka ho hatsangana ao ny EPP sy CEG Manarapenitra ary koa ny CSBII manarapenitra. Ny sosialim-bahoaka no tena hita fa novahana nandritra izao fitsidiham-paritra izao nataon’ny filoha izao, ireo misehaka ny mponina amin’ny an-kapobeny.
Nicole Rafalimananjara
