Ankadikely Ilafy: Napetraka ny fandaminana ny fitantanana ny fako ao Ambohitrarahaba
Nametraka ny fandaminana ho fitantanana ny fako ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba, ny avy kamonina Ankadikely Ilafy, ny fiandohan’ny herinandro teo. Mba ho fanatsarana hatrany ny fitantanana ny fako sy fitandroana ny fanadiovana ary ny fahadiovan’ny tanàna no nanaovana izany, raha ny voalaza.
« Hisy ny fanaraha-maso entitra ny fitantanana ny fako eto an-toerana ity. Raràna mafy ao anatin’izany ireo fiara lehibe (camion) an’olon-tsotra na orinasa tsy hanary ny fako amin’ireo toerana voatokana ho an’ny isan-tokatrano, fa hanary izany eny amin’ireo toerana voatokana amin’izany » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Hiteraka sazy lehibe ho an’ireo izay tratra mandika ny fandaminana ny fandikana izany. Efa nisy ny fiara tratra teo ka hampianarina sy hampatsiahivina hatrany ny rehetra hanaraka ny lamina napetraka » hoy hatrany ny fanazavana.
Natao ho hampiharina sy ho arahina ny fandaminana toa izao ho tombotsoan’ny be sy ny maro. Manomboka amin’ny 05 ora ka hatramin’ny 07ora maraina moa ny fanariana fako ny maraina. Amin’ny 05ora ka hatramin’ny 08ora alina kosa ny hariva.
Manitra R.
