Fitaterana : Hisy indray ny « train pentecôte » hampitohy an’ny Fianarantsoa amin’ny Sahambavy
Dépêche 12 mai, 11h, Toy ilay natao nandritra ny fetin’ny fankalazana ny paska farany teo dia hisy ihany amin’ity fetin’ny pentekosta ity ny « train pentecôte ». Mbola hampitohy an’ny Fianaranatsoa amin’i Sahambavy hatrany izany. Fahombiazana tanteraka iny hetsika tamin’ny paka iny ka izany indrindra no mbola nikarakarana ity mùanarka ity indray. Izany rehetra izany moa dia tafiditra ao anatin’ny famerenana ny zotra FCE tsikelikely. Hisy fiara roa no hampiasaina amin’izany dia ny VIP sy ny tsotra. Ny saran-dalana kosa dia 7 000 Ar ho an’ny tsotra, fa ny famandrihana kosa no 10 000 Ar. Hitentina 20 000 Ar kosa izany ho an’ny VIP.
