Dépêches

FIM : Fanararaotra ho an’ireo mpandraharaha madinika avy eto an-toerana

Dépêche 12 mai, 12h, Efa nanomboka omaly ny tsenabe iraisam-pirenena eto Madagasikara na ny FIM. Fotoana iray hihaonan’ireo mpandraharaha sy orinasa tsy miankina rehetra manerana ny Nosy. Fanararaotra ihany koa ho an’ireo mpandraharaha madinika haneho ny maha izy azy ireo tsirairay avy. Hanan-karena mpandraharaha iraisam-pirenena maro ity hetsika ity ka izany indrindra no tokony hanehoana ny tsara indrindra avy amin’ny orinasa sy ny mpandraharaha tsirairay. Marihina fa ny tanjon’ity hetsika ity dia ny fanasongadinana ny famoronana fiarah-miasa eo amin’ny mpandraharaha nasionaly sy iraiasam-pirenena izao hampiroboroboana ny fanajana sy fiarovana ny tontolo iainana ary hiantohana ny fampandrosoana maharitra sy ara-toekarena miaraka amin’ny andraikitra iombonana.

Laisser un commentaire