Sosialy : Fitaovana sy fanampiana maharitra no ilain’ireo olona manana fahasembanana
Manàna ny zavatra tena ilainy manokana ihany koa ireo olona manana fahasembanana eto Madagasikara. Ahafahan’izy ireo mamelon-tena sy mamelona ny fianakavaiany no antony ilain’izy ireo izany. Araka izany dia nisy ny fakan-kevitra izay natao tany amin’ny faritra Fitovinany tamin’ireo olona manana fahasembanana nahafahana namantatra ireo filàna fototr’izy ireo io.
« Mila tosika sy fitaovana izahay hahafahanay mampivotra ny ankohonanay sy hanomezanay fahafahampo ny tokatranonay tsirairay, ankoatr’izay dia managataka ny mba ho fanohanana maharitra no hatao betsaka kokoa, izany oe ahena ny fanomezana tosika ara-bola fa ampitomboina ny fiahiana sy ny fampitaovana. Eo ihany koa ny fijerena ny trano izay tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy », hoy ny solontenan’ireo olona manana fahasembanana tany an-toerana.
« Ny tanjona tamin’ity fakan-kevitra ity di any hampitovy ny Malagasy rehetra tsy vaky volo. Tsy misy ho atao anjorom-bala ka araka izany dia tsy maintsy hikarohana vahaolana ny hamaliana ny hetahetan’ireo olona manana fahasembanana ireo », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy.
Samy manana anjara andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena avokoa ny olona rehetra sy ny mahaizy azy. Anjara asan’ny Ministera ny mampiroborobo izany amin’ny alalan’ity tetik’asa fampiatiana ny ankohonana ity. Manana ny toeranay amin’izany ny olona manana fahasembanana ka izay no antony lehibe hanampiana azy ireo.
Miora Raharisolo
