ActualitésTsidika

Marary mafy tokoa ve i Mbola Rajaonah ?

Tato ho ato dia niparitaka eran’ny tambajotran-tserasera fa marary mafy ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy ilay mpanolo-tsainan’ny filoha teo aloha, Mbola Rajaonah, raha ny vaovao heno dia « sous serum » mihitsy ity farany ary tena reraka mafy.

Raha hiverenana kely ny tantara dia mpandraharaha teo amin’ny tontolon’ny serasera i Mbola Rajaonah, mpitantana ny orin’asa « Groupe RLM Communication » ny tenany ary mpanolon-tsainan’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina ihany koa tetsy andaniny. Resaka kolikoly no nanenjehan’ny Bianco azy, nampiantsona imbetsaka teny amin’ny bianco ny tenany ary tsy namaly ny antso, ka izao niafara tamin’ny fidirana am-ponja any Tsiafahy izao. Ny taona 2019 no voasambotra izy ary mbola any mandrak’ankehitriny.

« Efa manana aretina mitaiza i Mbola Rajaonah ary manao menace AVC izy amin’izao ary miandry alàlana hivoaka hamonjy cardiologue any amin’ny toeram-pitsaboana mifandraika amin’izay, marihina etoana fa tsy nisitraka efitrano manokana ho an’ny mpanao politika ity mpanolo-tsaina ny filoha teo aloha ity fa niaraka tamin’ireo gadra miisa 100 ihany ; eny na amin’izao tsy fahasalamàny izao ary » hoy ny olona akaiky azy.

« Ataon’i Mbola Rajaonah fitaovana ny aretina efa mpahazo azy mba ahafahany mivoaka ny fonja, ary handehanany hitsoaka any ivelany tahaka ny nataon’ny Claudine, efa hitan’ity farany fa efa manakaiky hisokatra ny sisin-tany dia mitady lalana hitsokàna izy » hoy kosa ny sasany amin’ireo mpanaradia ny fitondràna.

Tsy mbola namaly na naneho ny heviny kosa hatreto ny eo amin’ny fitsaràna sy ny fitondram-panjakàna na dia azo inona fa efa naheno ny zava-misy aza.

« Na toy inona disadisa ara-politika dia tsy azo atao ny manao tsinotsinona ny ain’olona fa tsy voavidy vola akory izany, ary ilaina fidifidina ihany koa ny vava avoaka mba tsy hanan-tsiny » hoy ny mpamakafaka ara-politika iray.

Ilàna fandraisana andraikitra avy avy amin’ny minisiteran’ny fitsarana sy ny fitondram-panjakàna ny tranga tahaka izao fan a izany aza mety hiteraka fanenjehan’ny eritreritra ihany raha sanatria misy fahasarotana mahazo io gadra politika io izay vao handray andraikitra. Tsy adala ny ntaolo Malagasy nilaza hoe « aleo enjehin’ny omby masiaka toy izay enjehin’ny eritreritra”.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire