Manao ahoana ny fahazoana vaovao marina eto Madagasikara ?
Ny 28 septambra no andro iraisam-pirenena ho an’ny fisitrahana ny vaovao marina misy ao amin’ny fiarahamonina misy azy, misy ao amin’ny firenena misy azy ary ny vaovao iraisam-pirenena. Ny tontolon’ny serasera no miandraikitra ny fisitrahan’ny rehetra izany manerana izao tontolo izao. Manao ahoana ny fisitrahana izany vaovao izany eto amintsika ?
Tato ho ato tokoa mantsy dia betsaka ny tsaho sy ny vaovao niniana naparitaka hanakorotanam-bahoaka izay tsy fantatra ny tena fahamarinany. Manana zo feno anefa ny olombelona tsirairay hahazo vaovao, araka ny voarakitra ao amin’ny andiany faha-19 ao amin’ny Fanmbarana iraisampirenena ny zon’olombelona. « Ny olon-drehetra dia afaka manana ny heviny ka hilaza izany an-kahalalahana. Tsy tokony ampitahorina amin’izay fomba fijeriny, ary afaka mikaroka, mandray, mampiely izay vaovao na hevitra hitany amin’ny alalan’ireo fitaovam-pifandraisana misy; tsy hijerena sisin-tany ».
« Enjehin’ny lalàna ny fanaparitahana vaovao tsy marina satria manan-jo hahalala ny vaovao tena marina ny olon-drehetra amin’ny maha olom-pirenena azy » hoy i Fanja, mpahay lalàna. « Ahazoana fahalalana ny fahafantaram-baovao, saingy misy fetra ihany koa anefa izany raha misy tsiambaratelo manokana ny tsy hamoahana azy raha to aka mikasika ny fiainan’olona manokana, ny fiainan’ny orinasa manokana » hoy ny avy ao amin’ny Unicef Madagascar. « Ny zon’olombelona ilaina amin’ny fiarovana sy fifaliana amin’ny zon’ny hafa, ao anatin’izany ny zon’ny fahalalahana maneho hevitra » hoy ny avy ao amin’ny Union Européenne
Tsy vazivazy ny fanomezana ny vahoaka hisitraka ny fahazahoam-baovao ka tsy tokony atao ambanin-javatra. Firifiry anefa ny Malagasy miaina anaty vaovao tsy mari-pototra sy tsy marina ?
Nicole Rafalimananjara
