Tsy ampy ny rano ao Ihosy
Manomboka manano sarotra amin’ ny fisitrahana rano fisotro madio ny ao an-tampotananan’Ihosy, ka manaitra ny fitondram-panjakana izy ireo mba hijery akaiky ny olana mianjady amin’izy ireo.
Tsy ny any amin’ny faritra ihany no misedra io tsy fahampian-drano io fa na ny eto Antananarivo ihany koa aza, noho ny fahatapahan-drano toy ny eny amin’ny faritr’Itaosy. Mbola tsy anaty vanim-potoana main-tany akory dia efa mizaka izany sahady ny vahoaka.
« Zara raha ampy adiny 2 isan’andro ny toby fakana rano eny amin’ny faritra iva no mandeha, raha tsy mandeha mihintsy kosa ny eny amin’ny faritra avo, voatery manakarama kalesy izahay hatsaka eny amin’ny kaominina ambanivohitra Ankily ka lany vola ireo mpanjifa » hoy i Benja, mponina ao an-toerana.
« Ny doro tanety sy ny fandripahana ala ataon’ireo olona ato an-toerana ihany no mandritra ny rano ka izao mira-mizaka ny vokany izao » hoy i Jean, tompon’andraikitra ao amin’ny fokontany.
Miezaka mitady vahaolana hatrany ny avy ao amin’ny minisiteran’ny rano mba ahafahana manampy ireo mponina ao an-toerana, « Tsy maintsy hisy ny fidinana ifotony hatao mba tsy hisian’ny kere, hanampiana ireo mponina ao an-toerana ka afahan’izy ireo misitrika ny rano fisotro madio » hoy i ny avy ao amin’ny minisiteran’ny rano.
« Mila fijerena manokana ny resaka tsy fahampian-drano mba tsy hisian’ny kere, mila mitady paik’ady hafa mihintsy hitrandrahana rano fa tsy ampy intsony ireo fantsona mpamatsy, tsy vitan’lon-tsotra anefa izany fa mila ny fiaraha-miasa avy amin’ny fitondram-panjakàna » hoy i Annick tompon’andraikitra amina ONG iray ao an-toerana.
Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ireny ONG na fikambanana internasionaly ireny i Madagasikara mba hisian’ny fampivoarana amin’ny lafiny tsy fahampian-drano. Antsoina ihany koa ireo malala-tanana mba hijery sy hidina ifotony ny amin’ny fanampiana ireo mponina.
Lovasoa Tojonirina
