INDRI ONG : Zava-dehibe ny famokarana ahidrano
Ny INDRI na Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation dia manetsika ireo mpisehatra eto Madagasikara na manam-pahefana na fikambanana na sehatra tsy miankina sns mba hamolavola fomba fiasa hita maso sy maharitra ho an’ny tontolo an-tanàn-dehibe, an-tanety ary amorontsiraka.
Ho an’izany morontsiraka izay indrindra dia fanararaotra ho an’i Madagasikara ny famokarana ahidrano, hoy ny INDRI. Manatsara ny fidiram-bola sady manarina ny fahasalaman’ny « lagons » izany raha ny fanazavan’izy ireo. Nanamafy ny tompon’andraikitra fa tetikasa sady mikatsaka ny fanarenana ny tontolo iainana no manampy amin’ny ady amin’ny fahantrana eny anivon’ny vondrona mpanjono izany.
Manoloana izany dia hiasa io sehatra io ny INDRI ary efa tontosan’izy ireo ny 17 may teo ny namakafaka sy niresaka mombana lohahevitra.
