Ambohimanambola: Miverina amin’ny laoniny ny famatsian-drano
Andro maromaro no tsy nandeha ny rano teny amin’ny fokontany maro, tao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Niteraka fimenomenomana teo amin’ireo mponina sy ny mpanjifa ny service Eau, an’ny kaominina Ambohimanambola izany. Rehefa nikaroka vahaolana ireo tompondraikitra avy amin’ny kaominina, dia niverina amin’ny laoniny ny famatsian-drano ankehitriny, araka ny voalaza.
“Maro ireo fitaovana simba sy nilaina fanamboarana ahafahana mamerina ny famokarana rano amin’ny laoniny. Anisan’izany ny fahamaizan’ny fitarian-jiro mirefy 148 metatra. Nisy ihany koa ny fanatsarana ireo fitaovana fibaikona sy fiarovana ny milina. Hita fa efa Mila fanatsarana avokoa ireo fitaovana ampiasaina amin’ny fampisitrahana rano raha mikasa hanatsara misimisy kokoa ny kalitaon’ny rano sy ny eritreritra hampiditra mpanjifa vaovao ny mpitantana vaovao” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Tokony miomana hatrany ny tomponandraikitra amin’ny mety fisian’ny olana eo amin’ny famatsian-drano sy ny fitantanana samihafa. Tena anisan’ny manahirana ny mponina ny resaka rano satria tsy miankina amin’ny fanjakana avokoa ny ampiasan’ny mponina eto an-toerana, hany ka raha vao misy ny vahavoazana dia ny rehetra no misedra izany” hoy i Holy, mponina ao renim-pianakaviana.
Aina ny rano ary anisan’ny fijaliana ho an’ny mponina ny tsy fisian’ny rano. Ilaina araka izany ny fametrahana drafitra mahomby momba ny fitantanana ny rano, indrindra ny fiomanana amin’ny tampoka sy tsy ampoizina momba ny famatsiana izany, mba tsy hiverenan’ny olana matetika.
