ActualitésTsidika

1er Rallye Historique de Régularité de Madagascar : Fiara 81 no handray anjara

Fiara efa tany amin’ny 33 taona lasa (talohan’ny 1989) 81 no andray anjara amin’ny « 1er Rallye Historique de Régularité de Madagascar ». Hanomboka rahampitso 28 mey eo amin’ny fito ora maraina ao amin’ny Tana Water Front ny hazakazaka ary manaraka ny lalam-pirenena faha-7 ireo mpifaninana avy eo. Mandalo ao Sambaina ny mpifaninana mialohan’ny hiolanan’izy ireo eo amin’ny lalam-pirenena faha 43, hiazo an’Ampefy. Ny 29 mey kosa izy ireo no hiverina hihazo an’Antananarivo ary hamakivaky lalana 380 km alohan’ny handikany ny tsipika fahatongavana.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire