ActualitésTsidika

Antsohihy : Nitondra fanampiana ho an’ireo traboina Nosy Lava ny Viavy Miavotse

Manoloana loza vokatry ny hain-trano nisy tao Nosy lava, Analalava ny 24 mey teo dia nanome fanampiana ireo traboina ny fikambanana vehivavy miavotse sy ny tanora mandray andraikitra ao Antsohihy. Vary fotsy, sira ary siramamy no fanampiana natolotra ireo olona ireo. Niantso ny malala-tanana kosa mba hanampy ireo mponina tsy manankialofana vokatra ny hain-trano ny mpisolo tena ireo nanome fanampiana, Randrianiaina Fortuna Asquis.  » Tsy misy ny manana ny ampy fa sambatra ny mifanampy » hoy kosa ny filoha mpandrindra ny fikambanana, Zanadrasoa Melina.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire