ActualitésTatitra

Comores : Mpandraharaha telo no hisolotena ny nosy amin’ny Cpla 2022

Hetsika tontosaina isan-taona handraisana firenena 30 aty Afrika anjara ny Cpla (camp des programmes de leadership Africain). Tontosaina isakin’ny volana novambra izy io ary maharitra 10 andro. Ho an’ity taona ity dia nanomboka ny 4 novambra teo ny hetsika ary tsy hifarana raha tsy ny 13 novambra izao. Ny fisoratana anarana kosa dia efa nanomboka ny 15 aprily hatramin’ny 15 jolay 2022.

Lohahevitra banjinina amin’ny taona ity ny fanafainganana ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena : « accélérer le développement socio-économique à travers le capital humain et l’agriculture pour la concrétisation  de l’agenda 2063 ». Telo ny solotenan’i Comores amin’io hetsika fanomezan-danja ny fandraharahana io Moina Fatima Ahamada, izay mitondra tetikasa momba ny « Civic Leadership » ary i Aynia Ali Soilihi sy i Mmadi Mhamadi, izay hanolotra tetikasa momba ny fandraharahana (business sy entrepreneurship).

Laisser un commentaire