ActualitésTsidika

Anjeva : Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka

Mitohy hatrany ny asa fampandrosoana ao amin’ny kaominina Anjeva. Tao anatin’ny famaranana ny fitsidihana nataon’ireo mpiara-miombonan’antoka Amitiés Madagascar Bretagne AMB tao amin’ny kaominina, nisy ny fifanaovan-tsonia fitohizan’ny fiaraha-miasa teo amin’izy ireo sy ny ben’ny tanàna ao an-toerana. Mbola mitohy ny ezaka amin’ny asa fampandrosoana ny kaominina, araka  ny voalaza.

« Ao anatin’ny ezaka fampandrosoana ny kaominina, tafiditra tao anatin’ny fanaovan-tsonina ny fiaraha-miasa amin’ny fananganana sekoly hanofanana arak’asa ireo reny manano-tena sy fampianarana ireo zaza sahirana tsy misy mpiahy eto amin’ny kaominina Anjeva gara, eo ihany koa ny fampidirana rano fisotro madio fokontany Anjeva gara sy Manohisoa, izay efa manomboka ny asa amin’izao. Ary farany ny fampidirana rano fisotro madio ho an’ny fokontany Ambohidrazana sy ny tapany avaratry ny fokontany Ankadiefajoro, ny taona 2023, izay efa vita fandinihana » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

« Hankasitrahana hatrany ny mpitantana ny kaominina amin’ny fitondram-bahaolana sy ny fijerevana ny olana ety ifotony. Izy izay tsy mitsahatra mikaro-bahaolana, amin’ny lafiny rehetra, ho an’ny fampandrosoana » hoy i Solo, mponina ao Anjeva.

Ny tao-trano tsy hefan’ny irery, hoy ny fitenena malagasy. Ilaina hatrany ny mikaro-bahaolana amin’ny famahana ny olana hiainanan’ny mponina eny ifotony, indrindra ny fitadiavana fiara-miasa avy any ivelany hahafahana mamaly ny filàna amin’ny asa fampandrosoana. Anisan’ny fitaratra ho an’ireo kaominina hafa ny ezaka amin’ny fampandrosoana tahaka izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire