Syrie : Voafonja mpikamban’ny EI an-polony no tafatsoaka nandritra ny horohorontany
Manodidina ny 1 400 ny olona maty tao Syrie noho ilay horohorontany niseho tao an-toerana sy tao Turquie. Ankoatra ireo trangam-pahafatesana ireo dia nitriatra ihany koa ny varavarana sy ny rindrin’ny fonja tao an-toerana ka nanararaotra nitsoaka ireo Daesh. Raha ny tatitra dia mpikambana ao amin’ny vondrona Etats Islamiques manodidina ny 20 no tafavoaka tao amin’ny fonja miaramilan’i Rajo, tsy lavitry ny sisin-tanin’i Turquie.
Manodidina ny 2 000 ny isan’ny voafonja tao amin’io fonja ao avaratra andrefan’ny firenena io. 1 300 tamin’ireo dia voarohirohy niady ho an’ny EI na ny kurde avokoa raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra izay tsy nitonona anarana. Nilaza kosa ny OSDH (Observatoire syrien des droits de l’homme) fa mbola tsy voafaritra mazava ny isan’ireo voafonja nandositra.
